<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ampianaro aho, Tompo,
 mba hiambina !
 Mandalo tahaka ny rivotra
 ny androko.
 Ka mihalany isan-andro
 isan-alina,
 Ambara-pahatapitry
 ny fe-potoako.

[V2]
 Endrey ny voninkazo,
 raha vao maraina e !
 Fa tsara ka mamirampiratra
 ny endriny ;
 Kanefa maty izy amin'ny
 hainandro be
 Ka raha hariva dia simba
 ny tarehiny.

[V3]
 Ny tenako no voninkazo
 ka hihintsana,
 Ny aiko tahaka ny
 zavona sy aloka
 Izay mandalo ka
 tsy manam-pijanonana ;
 Ny taonako mandroso
 tahaka ny riaka.

[V4]
 Tsy manam-panorenana
 atý ny heriko,
 Mihelina ka tsy mba hita
 ny alehany ;
 Malaky tahaka ny tselatra
 ny androko,
 Ka tsy miatoato
 ao am-pandehanany.

[V5]
 Ry Tompo ô, ampio aho
 mba hiomana,
 Ka mba hadio fo
 na aiza no alehako,
 Ampaherezo mafy aho
 mba ho malina,
 Mba tsy ho tonga tampoka
 amiko ny fetrako !</lyrics>
<title>Ampianaro aho, Tompo, mba hiambina FFPM632</title>
<hymn_number>632</hymn_number>
</song>